Ny Latabatry ny Tompo sy ny Fanasàn’ny Tompo

 

Adrien LADRIERRE (La Table du Seigneur et la Cène du Seigneur)

 

Document disponible sur le site http://nybaiboly.net.

Pour toute adresse de Bibliothèque Chrétienne à Madagascar, cliquer ICI.

Pour Antananarivo, l’adresse de la Bibliothèque est :

LOT IV L 39 D, Anosivavaka, Ambohimanarina — Tel: 033 15 552 35

 

 

 

Ny Fanasàn’ny Tompo

Voaboasan’ny mpanoratra ireo rijanteny samihafa ao amin’ny Testamenta Vaovao, momba io lohahevitra io :

—         ao amin’ireo filazantsara telo, mitantara amintsika ny nanorenan’Izy Tompo Jesoa tenany ny Fanasàn’ny Tompo ;

—         ao amin’ny Bokin’ny Asan’ny Apostoly, mampahafantatra ny toerana sy fotoana nivorian’ny mpino mba handray ny Fanasàn’ny Tompo, tany am-piandohan’ny Eglizy ; ary

—         ao amin’ny epistily voalohany ho an’ny Korintiana (toko 10 sy 11). Lazain’ny apostoly Paoly fa fanambaràna manokana noraisiny tamin’ny Tompo no tateriny momba io lohahevitra io, izay mifamatotra akaiky amin’ilay zava-misy hoe Tena iray ny Eglizy, dia ny Tenan’i Kristy.

Mifototra amin’ireo rijanteny ao amin’ny epistily ho an’ny Korintiana ny mpanoratra, mampiseho hoe ahoana no tokony hiangonana manodidina ny Tompo amin’ny anarany, toe-panahy aman-tsaina manao ahoana no tokony handraisana ny Fanasàn’ny Tompo, ary miaraka amin’iza ny mpino no afaka manao izany ankehitriny, eo amin’ny Latabatry ny Tompo.

Velabelariny araka izany ny fampianaran’ny Tenin’Andriamanitra momba io lohahevitra io, ary taominy koa isika hamaly ny fanasàn’ny Tompo antsika, sady soritany mazava ny havesa-danja sy hakanton’izany fanasana izany : « Izay kabary tsara lahatra indrindra, ny fampianarana faran’izay lalina, ny fampirisihana manohina ny fo indrindra ve, afaka hanambara ny fitiavan’i Jesoa mihoatra noho ny Fanasàn’ny Tompo? »

 

 

Ny tiako hambara amin’ity bokikely ity dia fanamarihina vitsivitsy momba io lohahevitra tena manan-danja io, izay tokony ho sarobidy tokoa ho an’ny mpino tsirairay. Marina fa lehibe tokoa ny vidin’ny fanomezam-pahasoavana nomen’ny Tompo ny Fiangonana mba hampianarana sy hampandrosoana: diso tokoa isika raha tsy mitady izay hahafantarana azy, raha tsy manao izany ho zava-tsarobidy ary raha tsy manararaotra ny fisian’izany. Kanefa matetika dia ireny fanomezam-pahasoavana ireny no mahaliana antsika, ireny no tadiavintsika, ary tsy ampy ny toerana omentsika ao am-pontsika ho an’ny zavatra tena tian’ny Tompo. Tombontsoa ho an’ny mpino rehetra ny manatona ny Latabatry ny Tompo sy mandray anjara amin’ny Fanasàn’ny Tompo. Eo no tafavory daholo ny mpino mba hiara-hahatsiaro ny Mpamonjy amin’ilay hetsika nanehoany tamin’ny fomba lavorary tokoa ny halalin’ny fitiavany sy ny fahafoizan-tenany tsy misy fetra. Tsy hita intsony ny fanomezam-pahasoavana, takona izany, fa ny hany sisa ao an-tsaina sy ao am-po dia i Jesoa irery, ilay Jesoa izay nanetry tena hatrany amin’ny fahafatesana ho antsika. Fahasoavana manao ahoana re izany! Ahoana moa no tsy hiraika isika eo anoloan’izany tombontsoa goavana izany, amin’ny fiarahantsika mahatsiaro an’i Jesoa? Ny kabary tsara lahatra indrindra, ny fampianarana tena lalina indrindra, ny fampaherezana tena mahakasika ny fo indrindra ve afaka hanambara ny fitiavan’i Jesoa mihoatra noho ny Fanasàn’ny Tompo?

 

Ny filazantsara telo voalohany dia manambara ny nanorenana ny Fanasàn’ny Tompo; dia any amin’ny Korintiana Voalohany indray izany vao hitantsika. Io no tena tiako hifantohana, nefa alohan’izany, dia hilaza zavatra kely ihany aho momba izay lazain’ny filazantsara.

 

Misy antsipirihany telo na efatra izay hita ao amin’ny Matio ihany. Voalohany indrindra, ireto teny ireto: “Raiso, hano”: fanasàn’ny Tompo ny mpianany izany; toa fandidiana am-pitiavana, fampirisihana handray ny zavatra atolony ary hampiasa izany.

 

Faharoa manaraka izany, hoy koa Izy, raha nanolotra ny kapoaka: “Sotroinareo rehetra ity”; tsy nisy nesorina tsy handray anjara tamin’io tapany faharoa tamin’ny sakafo io. Efa nomelohin’ny Tompo mialoha tamin’izany teniny izany ny hambo hasehon’ny mpitondra fivavahana romana atỳ aoriana. Manasa ny olony handray, hihinana ary hisotro ny Tompo. Tsy zavatra atao ara-panahy fotsiny izany, tahaka ny itadiavan’ny sasany azy, fa tena zava-misy. Amin’ny lafiny iray koa anefa, sariohatra atao eo anoloantsika izany, ary isaky ny mahita izany isika, dia tokony hahafantatra ny dikany amin’ny saina sy ny fanahy. Raha tsy izany, dia ho lasa fankalazana, fombafomba tsotra izao fotsiny ny Fanasàn’ny Tompo; ary indrisy fa matetika dia izany no miseho.

 

Fahatelo, anterin’ny Tompo, ao amin’ny Matio, ny dikan’ny kapoaka ary mifandraika amin’ny tanjon’ny filazantsarany izany. Jesoa no ilay Mesia. Ny nahatongavany no nanafoana ny fanekena taloha, izay nifototra tamin’ny fankatoavan’ny olona amin’ny maha-ara-nofo azy, ary namonoana ho faty ny mpandika izany lalàna izany. Tonga mba hametraka fanekena vaovao Izy, mifototra amin’ny fahasoavana. Io fanekena vaovao io dia tokony hiorina amin’ny famelàn-keloka. (Ampitovio Jeremia 31:33-34 sy Hebreo 8:6-13). Fa raha tsy misy ra alatsaka dia tsy misy famelan-keloka (Hebreo 9:22). Ny divay izany dia manambara io ra alatsaka ho an’ny maro io mba ho famelàn-keloka. Na dia tsy nandray an’i Kristy aza ny Jiosy, dia nisy ihany ny ra nalatsaka, ary io no mitoetra ho fanorenana ny fanekena vaovao natao ho azy ireo, ary ao anatin’izany ny famelàn-keloka ho azy ireo sy ny fahafantarana an’Andriamanitra ao am-pony. Ho antsika, tsy misy ny fanekena, satria ny Filazantsara dia tsy izany fa fanambaràna ny famonjena. Isika anefa dia mandray ny tombontsoa amin’ny fanekena vaovao, ary, ankoatr’izany, ny fitahiana noho ny toerana efa azontsika any an-danitra tamin’ny asa lavorary nataon’i Kristy, izay natsangana tamin’ny maty ary nasandratra eo an-tànana ankavanan’Andriamanitra. An’ny Eglizy irery ireo fitahiana ireo. (Efesiana 1:3-7).

 

Farany, Matio no mampiseho antsika ny Tompo misaotra alohan’ny hamakina ny mofo, ary misaotra alohan’ny hizarana ny kapoaka. Zavatra iray ihany no anampian’i Marka an’izany, dia ny hoe nisotro tamin’ny kapoaka daholo izy rehetra, nanao izay notadiavin’ny Tompo taminy, ary amin’izany, dia manamafy izay irin’ny Tompo ho an’ny olony momba izany.

 

Ndeha hojerentsika kely ny lazain’i Lioka ao amin’ny filazantsarany. Ampifandraisiny ny fankalazàn’ny Tompo ny Paska farany niaraka tamin’ny mpianany sy ny fanorenana ny Fanasàn’ny Tompo, ary tsara ny manamarika izany; ny tena marina, dia io no fankalazana voalohany ny Fanasàn’ny Tompo, ary ny tenan’ny Tompo mihitsy no nanatrika teo.

 

Ny Paska anefa dia fahatsiarovana ny nanafahana ny vahoaka Isiraely. Narovana tsy ho tsaraina ny vahoaka, noho ny famafazana ny ran’ny zanak’ondrin’ny Paska. Fa ny fanafahana an’Isiraely dia momba ny eto an-tany ihany; kisarisarin’ny fanafahana mbola tsaratsara kokoa noho izany io. Hifarana io sary an’ohatra io fa ho tonga kosa ny tena izy: Kristy, ilay Paska ho antsika, no hatao sorona ho antsika. Nambaran’i Jesoa tamin’ny mpianany izany tamin’ny nilazany hoe: “Tsy mba hihinana izany intsony Aho ambara-pahatanteraka izany ao amin’ny fanjakàn’Andriamanitra”. Tsy midika ve izany fa ny Paska, izay fetin’ny vahoaka etỳ an-tany, fahatsiarovana lalandava ho azy ny maha-vahoaka voatokana azy, dia hankalazaina indray mandritra ny fanjakana arivo taona? Hoy mantsy Ezekiela: “Amin’ny andro fahefatra ambin’ny folo amin’ny volana voalohany no hanaovanareo ny Paska; andro firavoravoana hafitoana izany” (45:21). Sarobidy mandrakariva ny mahita fa tsy adinon’Andriamanitra ny vahoakany taloha. Nefa mbola tsy tonga izany fotoana izany. Tsy maintsy nijaly aloha i Kristy, ary nanoka-tena ho Nazareana Izy. Hitantsika tokoa mantsy fa, raha nandray ny kapoaka ny Tompo ka nizara izany, dia tsy mba nisotro Izy, fa hoy kosa Izy hoe: “Tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-pahatongan’ny fanjakàn’Andriamanitra”. Nahemony ny fotoana hifaliany miaraka amin’ny mpianany, mandra-pahatongan’ny fanjakàn’Andriamanitra, fa naoriny ho an’ireo olony kosa ny Fanasàn’ny Tompo, ho an’ireo vahoakan’ny lanitra, mandritra ny fotoana tsy maha-eo Azy. Mampahatsiaro antsika ny fototra hiorenan’ny fitahiana rehetra ho antsika izany, dia ny fitiavan’i Kristy izay nidina tany amin’ny fahafatesana ho antsika.

 

Raha misy pitsopitsony tsy lazain’i Lioka ao amin’ny fitantarany, nefa hitantsika ao amin’ny Matio, dia misy kosa zavatra hafa izay tena sarobidy tokoa ho an’ny fo, ary manana marika mampiavaka mihitsy satria miditra lalina ao anaty. Raha lazaina, dia mampiditra antsika ao amin’ny fitiavan’Ilay nantsoina hoe Zanak’olona, izay anehoan’ny filazantsaran’i Lioka azy manokana. Tsy tsapantsika ve izany amin’ireo teny mampihetsi-po nanombohana ny fitantarana teo: “Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho”? (22:15). Dia mbola ampiana hoe: “Ity ny tenako izay omena ho anareo”. Omena, tsy fanehoana ny fitiavana feno fahafoizan-tena, izay manaiky atao sorona, izay mitolo-tena, ary mitaky izay hitiavantsika azy ve izany? “Ho anareo”, fitenenana mivantana natao hahakasika ny fo! “Ianareo”, mila ny fanolorako ny tenako ianareo; inona no ho nanjo anareo raha tsy izany? Raha tsy teo “ianareo”, dia tsy ho nilaina ny nahatongavako tetỳ an-tany sy ny nijaliako; nefa tia anareo Aho ary nanolo-tena ho anareo. Tsangambaton’izany fitiavana mamy sy feno fandavan-tena izany no eo ambany masontsika, ary afaka miteny ny tsirairay hoe: “Ny Zanak’Andriamanitra izay tia ahy sy nanolo-tena ho ahy.”

 

Hoy i Jesoa manampy izany: “Izao no hataovinareo ho fahatsiarovana Ahy”: teny manohina ny fo tokoa izany, ary tsy hitantsika ao amin’i Matio na Marka, ary raha ampifandraisina amin’ny hoe “nomena anareo”, dia mampiseho antsika ny zavatra takian’ilay fo be fitiavan’ny Mpamonjy amin’ny olony. Ho tambin’ny fitiavany nanolo-tena hatramin’ny fahafatesana, dia mangataka ny fahatsiarovan’ny fontsika Izy. Afaka ny hangataka latsak’izany ve Izy? Izaho dia nanolo-tena ho anareo; ianareo kosa, tsarovy Aho. Inona no fotoana eo amin’ny fainantsika tsy tokony ho feno Azy? Indrindra fa amin’io fotoana izay ahitantsika eo ambany maso io ilay fanasana izay naoriny ho antsika mba hampahatsiahy antsika ny fitiavany! Ireo vahoaka sisa tavela, izay babo tany Babylona, dia nilaza hoe: “Raha manadino anao aho ry Jerosalema o!, aoka kosa ny tanako ankavanana mba hanadino! Raha tsy mahatsiaro anao aho, aoka ny lelako hiraikitra amin’ny lanilaniko, raha tsy Jerosalema no ataoko ambony indrindra amin’ny fifaliako rehetra!” I Jerosalema, izay toerana nofidin’Andriamanitra ampitoerana ny anarany, no nahatonga izany afo miredareda izany tao am-pon’ny vahoaka babo. Ary isika kosa, mba inona no natao eo anoloantsika? Ilay mameno ny rehetra amin’ny voninahiny, Ilay nanetry tena hatramin’ny fahafatesana, ho antsika. Ahoana no fomba hanadinointsika an’izany? Ahoana no tsy hiredareda ny fontsika ao anatintsika ao, eo am-pahatsiarovana Azy?

 

Toy izany koa, raha momba ny kapoaka, i Lioka dia mampahatsiaro fa ny ra nalatsaka no fanorenana ny fanekena vaovao; nefa tsy niteny izy hoe: “nalatsaka ho an’ny maro mba ho famelan-keloka”, fa nampiany hoe “nalatsaka ho anareo”. Mahakasika antsika tsirairay mivantana izany; ary mitsatoka ao am-pon’ny tsirairay. Nitia anao ny Mpamonjy, dia ianao io; ho anao no nanomezany ny tenany, ho anao no nandatsahany ny rany sarobidy. Mahasarika hanatona Azy izany teny izany! Raha mandre izany isika, enga anie ka mba hamaly ao am-po hoe: “Ho an’Ilay tia antsika ka nanasa antsika ho afaka amin’ny fahotantsika tamin’ny rany… ho Azy anie ny voninahitra sy ny hery!”

 

Mbola teo anivon’ny mpianany i Jesoa raha nanorina io fanasana io, izay tsangambaton’ny fahafatesany. Nilaina ny hahafantaran’ny mpianatra fa ny fitiavany no nahatonga Azy hijaly sy ho faty. Raha tsy azony teo noho teo anefa izany, rehefa nasandratra ilay Mpampianatra malalany, dia tonga ny Mpampionona nampahatsiahy azy ireo ny zavatra rehetra nolazain’i Jesoa. Nampianarin’izy ireo izay nino noho ny fitoriany izany, ary hitantsika ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2, fa ireo kristiana voalohany dia naharitra tamin’ny “famakiana ny mofo”, ny foto-pampianarana sy ny fiombonan’ny apostoly, ary tamin’ny vavaka. Mampiseho izany fa nanomboka teo, ny “famakiana ny mofo” dia tafiditra tanteraka tao anatin’ny fiainam-piangonan’ny kristiana. Tsapany tsara ny vidiny nomen’ny Tompo Jesoa an’io tsangambaton’ny fitiavany azy ireo io.

Ireo mpino voalohany ireo anefa dia Jiosy niova fo. Mbola tsy voambara ireo fahamarinana lehibe milaza ny Fiangonana ho Tenan’i Kristy, izay tsy manavaka ny Jiosy na ny Grika. I Paoly, izay apostolin’ny jentilisa, no nampahafantarin’Andriamanitra izany zava-miafina izany, ary tamin’izay koa no naseho antsika ny fifandraisan’ireo fahamarinana ireo amin’ny Fanasàn’ny Tompo.

 

Ao amin’ny taratasy voalohany ho an’ny Korintiana no voaresaka ny amin’ny Fanasàn’ny Tompo. Ireo andinin-tsoratra ireo, miaraka amin’ny Asa 20:7, dia manambara fa teo amin’ny toerana namoronana fiangonana tany amin’ny jentilisa, dia natao ny famakiana ny mofo: tany Korinto, tany Troasy, toy ny tany Jerosalema. Izany no antony nivoriana. Nampianarin’ny apostoly, ary azon’ny mpino rehetra, fa izany no ivon’ny fanompoam-pivavahana kristiana; ary raha vao miangona amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa (satria izany no maha-fiangonana ny fiangonana), manodidina Azy izay tompointsika, ary Izy manatrika eo afovoany araka ny teny fampanantenàny, dia tokony hotsarovana tamin’ny fahafatesany Izy: “ambara ny fahafatesany” mandra-piaviny.

 

Toerana roa ao amin’ny taratasy voalohany ho an’ny Korintiana no iresahan’i Paoly io didy io. Ao amin’ny toko faha-10, dia ny Latabatry ny Tompo; ao amin’ny toko faha-11, dia ny Fanasàn’ny Tompo. Ny voalohany dia miresaka indrindra ny fiombonana, ny faharoa dia ny tsangambato fahatsiarovana. Andeha ho jerentsika tsirairay ireo.

 

 

* * *

 

 

Tsy maintsy nampitandrina ny Korintiana ny apostoly momba ny fanompoan-tsampy sy ny fikambanana amin’ny ratsy. Izany no ataony indrindra ao amin’ny toko faha-10: “Koa amin’izany, ry malala, mandosira ny fanompoan-tsampy” (and 14). Nefa ny foto-kevitra napetrany tamin’izany dia azo ampiharina lalandava, ary mety hanoro làlana antsika koa, na dia tsy miaina ao anaty kolo-tsaina feno fanompoan-tsampy aza isika, fa ao amin’ny tontolo kristiana. Ilaina izany fanamarihana izany, mba tsy ho raisintsika ara-bakiteny ny voambolana ampiasaina, ohatra “ny latabatra” na ny “kapoaky ny demonia”, satria ny nampisy ny tena fanompoan-tsampy ihany no nahatonga azy hampiasa ireny.

 

Tamin’ny andron’i Paoly, dia nisy vondrona telo samihafa izay resahiny amintsika, tamin’ny toerana sansanrsasany: ny Fiangonana, izay zava-baovao; Isiraely, ilay tempolin’Andriamanitra taloha; ny jentilisa, izay niaina tao anaty fanompoan-tsampy. Ny mihinana, ny manatona latabatra, dia midika fa miombona sy miray amin’ireo manatona izany latabatra izany ary miara-mihinana aminy. Mitovy toerana amin’ny misy azy ireo izany. Ny zavatra hanina sy sotroina koa dia manambara hoe amin’inona no iombonana. Nanao sorona ho an’ny demonia ny jentilisa; ny miara-mihinana aminy ireo hena naterina ho an’ny sampy, ny misotro ireo zava-pisotrony, dia midika fiombonana amin’ny demonia. Tonga hatrany amin’ny fitoerana teo amin’ny tempolin’ny sampy ny Korintiana, mihinana ny zavatra natao sorona, ary ny fahalalahana, ny tsy fahateren-tsaina, ny fahaizana no nataony fialàna olana, — nefa, raha tena dinihina, dia filibana, fanaovana izay sitrapo ary fahaleovantena. Tandremo, hoy ny apostoly, raha manao izany ianareo dia miombona amin’ny demonia, miray latabatra aminy ianareo, misotro ny kapoakany. Mety ho an’ny olona izay manana fiombonana amin’i Kristy ve izany? (Jereo 2 Korintiana 6:14-16). Ny tena fahafahana, ny fahafahan’ny Fanahy, dia tsy azo hampiharina afa-tsy amin’ny zavatra mendrika ny fiainan’Andriamanitra, raha tsy izany dia filiban’ny nofo fotsiny ihany. “Na mihinana ianareo, na misotro, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra” “Ny zavatra rehetra dia tokony hatao hampandrosoana”. Ny voninahitr’Andriamanitra, ny fampandrosoana ny hafa, izany no fitsipika mifehy ny fahalalahan’ny Fanahy, ary sambatra ny fo miaina amin’izany, araka ny fahamarinana, ao anatin’ny fitiavana.

 

Tany amin’ ny Isiraely ara-nofo, ireo izay nihinana zavatra atao fanatitra dia niombona tamin’ny alitara, ny alitaran’Andriamanitra izay nanaterana ireny sorona ireny. Ireny no “hanin’Andriamaniny” (Levitikosy 21. 6,21,22). Izany no fomba nananana fiombonana tamin’Andriamanitra. Tonga anefa i Kristy, ary ireny sorona nasain'Andriamanitra natao ireny, izay aloky ny sorona iray mbola tsaratsara kokoa, dia efa nifarana, ary ny kristiana dia “manana alitara, izay tsy ananan’ny mpanompon’ny tabernakely fahefana hihinanana” (Hebreo 13:10). Nefa ny foto-kevitra najoron’i Paoly ho an’ny kristiana dia voamarina tamin’ny zava-nisy tany Isiraely.

 

Nampiseho tamin’i Korintiana izany i Paoly hoe miaraka amin’ny inona ary aiza no sehatra iorenan’ny fiombonany, izay mahatonga azy ireo hiavaka tanteraka.

 

Voalohany indrindra, latabatry ny Tompo io, kapoaky ny Tompo. Ny anarana omena an’i Jesoa eto, ny hoe Tompo, dia manambara amintsika fa manana fahefana amin’io latabatra sy io kapoaka io Izy. Raha sitrany ny hanaiky antsika ho eo, ny hanasa antsika, dia tombontsoa manokana ho antsika izany: tsy sanatria akory zontsika. Naoriny io fahatsiarovana ny fahafatesany io; Izy no mamelatra ny latabatra, Azy io, fa tsy antsika. Tsy misy olon-kafa manam-pahefana eo; Izy no milaza izay olona azo raisina eo. Tsy maintsy ekena eo ny fahefany amin’ny maha-Tompo azy, ary tokony hitandrina isika sao heverintsika fa antsika ny latabatra, ka hanomana izany ho toy ny sehatr’olombelona, ka lasa manavakavaka. Raha miteny amintsika ny apostoly, dia raisiny ho toy ny olona manan-tsaina isika, mahay manavaka ka mahalala izay ataontsika sy izay sehatra misy antsika.

 

Izany no amoaboasany amintsika avy eo ny toetry ny fiombonana, na ny sehatra izay ivelaran’ny Latabatry ny Tompo. Voalohany, ilay kapoaka izay atolotra antsika, kapoaky ny fitahiana izay isaorantsika, dia ny fiombonana amin’ny ran’i Kristy. Kapoaky ny fitahiana io, na kapoaka fisaorana. Inona tokoa moa no tsy ampahatsiahivin’izany amintsika? Io ilay ra sarobidin’i Kristy, dia ilay Zanak’ondry tsy misy kilema sy tsy misy pentimpentina, izay ahazoantsika fanavotana, manasa antsika amin’ny fahotantsika, ahazoantsika fihavanana, ary manokatra ho antsika ny làlana mankany amin’Andriamanitra, mampiditra antsika feno sady malalaka mankeo amin’ny fitoerana masina. Io no fahafatesan’i Kristy, ny fahatanterahan’ny fanonerana, ny fanesorana ny fanamelohana. Koa rehefa misotro aminy isika, dia afaka misaotra sy miteny hoe: Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy hay lazaina!

 

Fa ny kapoaka kosa dia fiombonana amin’ny ran’i Kristy. Raha azontsika sy raisintsika am-pinoana ny dikan’izany, dia tafiditra ao amin’ny fihevitry ny Tompo isika, izay nandatsaka ny ràny ary nanolotra izany sorona izany ho famonjena antsika. Manana anjara ao izany isika, afaka misitraka izay novidiny ho antsika tamin’ny nahafatesany. Ny voavidy ihany izany no manana tombontsoa manokana hisotro amin’io kapoaka io, satria miombona amin’ny Tompo ao amin’ny fahafatesany. Izy ireo no mandrafitra ny Fiangonana izay novidin'ny ran'ny Zanak’Andriamanitra.

 

Eto izany dia mazava amintsika ny toetra voalohany ananan’ireo izay manatona ny Latabatry ny Tompo. Voavidy tamin’ny ra sarobidin’i Kristy izy, fantany izany, misitraka izany izy ary misaotra. Toy izany ve isika, ry havana malala? Azontsika an-tsaina ve io zava-dehibe io rehefa eo amin’ny latabany isika, fa eo anoloantsika anie ilay fitiavan’i Jesoa tsy hay lazaina, fa ny kapoaka izay isaorantsika anie ka manambara “ny fiombonana amin’ny ran’i Kristy”?

 

Manaraka izany, dia misy ny mofo eo ambony latabatra, ilay mofo tokana izay vakiantsika; zaraina ho an’ny maro, nefa iray ihany. Tsy azo hiambahambana fa ny mofo dia maneho ny tenan’ny Tompo raha mbola tetỳ an-tany Izy; ho hitantsika ao amin’ny toko faha-11 izany, tahaka ny efa nahitantsika azy tao amin’ny filazantsara: “Ity no tenako izay omena ho anareo”. Nefa eto, raha miresaka ny latabatra isika, dia tsy izany ihany no asehon’ny mofo. Io koa no tenan’i Kristy etỳ an-tany amin’izao fotoana izao, izay arafitr’ireo olona isan’ny tenany etỳ; satria io dia isika, isika izay mofo iray, izay tena iray, na dia maro aza. “Iray ny tena”, hoy ny apostoly tamin’ny Efesiana (4:4) Iza no mandrafitra azy ary ahoana? Voarafitr’ireo rehetra voavidy tamin’ny ran’i Kristy: ny Fiangonana no Tenany. (Efesiana 1:22). Ny Fanahy Masina izay nidina avy any an-danitra no namorona azy, satria iray ihany ny Fanahy izay nanaovam-batisa antsika rehetra, mba ho tena iray ihany. (1 Korintiana 12:13). Ny mpino tsirairay dia manana ny Fanahy Masina: tombontsoany manokana izany (Efesiana 1:13; 1 Korintiana 6:19; Romana 8:15-16); io Fanahy io no mampiray azy amin’i Kristy any an-danitra (1 Korintiana 6:17). Ny rehetra, izay miara-miray araka izany amin’i Kristy, izay Loha nasandratra, no mandrafitra io vatana io, vatana velona, Tenan’i Kristy. Isika no momba ny tenany.

 

Ny mamaky ny mofo eo amin’ny Latabatry ny Tompo izany dia midika fa miray amin’i Kristy isika, amin’ny maha- momba ny tenany antsika; amin’ny fomba fijery faharoa, dia mbola fiombonana koa izany, ary izay no toetra faharoa ananan’ireo mandray anjara amin’ny latabatra. Miray amin’i Kristy izy satria momba ny tenany, fa miombona koa satria mifampiankina toy ny ifampiankinan’ireo zavatra anisan’ny tena anankiray ihany[1] (Romana 12:5). Ny fepetra mba ho tonga ho isan’ny tenan’i Kristy sy vita batisa amin’ny Fanahy Masina anefa, dia tsy maintsy olom-boavidy, voasasa tamin’ny fahotana noho ny ran’i Kristy; hitantsika amin’izany ny antony hanolorana ny kapoaka alohan’ny mofo, ao amin’io lahatsoratra io. Zava-dehibe ny mahafantatra ny fandaharana ny zavatra izay an’Andriamanitra. Marihina koa fa io zavatra asehon’ny mofo eo ambony latabatra io dia tsy azo nomena talohan’ny nanandratana ny Tompo, izay Lohan’ny tena, any amin’ny voninahiny, ary koa talohan’ny nanambaràna ny zava-miafina ny amin’ny maha-tokana ny tena. Izany no tsy ahitana an’io zavatra asehon’ny mofo io afa-tsy any amin’ny lahatsoratr’i Paoly, izay nanankinana ny fanazavana io zava-miafina io (Efesiana 3:3-9)

 

Raha manatona ny Latabatry ny Tompo isika, ao an-tsaintsika ve io fahamarinana lehibe sy sarobidy io, ry havana malala? Be tamintsika angamba hatramin’izao no nandray anjara, amin’ny fahatsapana ny maha-olom-boavidy azy, faly mahatsiaro an’i Jesoa tamin’ny nahafatesany, izay porofon’ny fitiavany tsy hay lazaina ho antsika. Sarobidy izany, ry havana malala, diso sarobidy loatra, ary izany marina no tokony hameno ny fontsika. Nefa ny Tompo tsy manasa antsika ho eo amin’ny Latabany mba hiolonolona, tonga fotsiny mba hihinana ny mofo sy hisotro amin’ny kapoaka, ary misitraka samy irery ny fahatsiarovana ny fitiavany. Mbola misy zavatra hafa ho antsika ankoatra izany eo amin’ny latabany. Isika rehetra no miaraka Aminy eo, ary faly ny fony mampiangona antsika manodidina Azy, miray saina, miray fitiavana. Angamba mbola tsy azonao an-tsaina mihitsy fa rehefa eo amin’ny Latabatry ny Tompo ianao, dia ny maha-isan’ny Tenan’i Kristy anao no ahatongavanao eo, ary eo koa ireo olona sasany momba io tena io, miray amin’ilay Tompo be voninahitra? Izao zavatra roa loha izao no asehontsika rehefa misotro amin’ny kapoaka iray sy mamaky mofo iray isika: olom-boavidy isika, ary momba ny Tenan’i Kristy. Miombona isika, ary miara-misaotra ilay Mpamonjintsika sarobidy. Akory ny hafaliam-pony mahita antsika miangona manodidina Azy! Akory ny hafaliantsika mahita fa isan’ny tena iray isika, ary manana Loha iray! Raha miara-mibanjina Azy isika, ny fitiavany antsika dia hameno ny fontsika, ary hiara-hisaotra Azy isika. Ny latabatry ny Tompo no toeran’ny fiombonana; ny fiaraha-mandray anjara amin’ny tena maha-Izy azy sy amin’ny rehatra nataony ho antsika; fiaraha-misitraka ny fitiavany ary ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, ny fiombonana dia mampitombo fatratra ny fisitrahana. Tsy ho irery isika any an-danitra. Rehefa tafangona manodidina ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra isika, dia hiaraka hitsaoka sy hanome voninahitra Azy. Izao izany dia efa iainantsika.

 

Ireto toetra roa ireto izany no ananan’ireo mandray anjara amin’ny Latabatry ny Tompo: voavidy tamin’ny ran’i Kristy, ary isan’ny tenany. Tsy tafiditra ao izany izao tontolo izao sy ireo mbola tsy niova fo. Mazava torak’izany koa ny sehatra hamelarana ny latabatra: tsy inona izany fa ny maha-iray ny tena. Izay latabatra tsy novelarina araka io foto-kevitra io, ary tsy amin’ny saina ihany fa amin’ny fampiharana azy, dia tsy latabatry ny Tompo. Ny latabatra rehetra novelarina araka io foto-kevitra io dia milaza latabatra iray ihany, satria tsy misy afa-tsy tena iray, na dia samihafa aza ny fisehoany amin’ny toerana samihafa, koa misy ny fiombonana amin’ireo latabatra rehetra ireo. Koa alohan’ny handraisantsika anjara amin’ny latabatra, dia tsy maintsy manadihady aloha isika hoe inona no foto-kevitra namelarana azy, mandinika raha voahaja marina ny foto-kevitra lazain’ny Soratra Masina, ary raha ekena tanteraka ny fahefan’ny Tompo.

 

Andeha ho jerentsika izay lazain’ny toko faha-11, dia ny tsangambato, resahina bebe kokoa noho ny fiombonana.

 

Fanasàna (na sakafo hariva) nataon’ny Tompo, sakafo izay hanasany antsika noho ny fahasoavany. Azy io, fa tsy antsika, ary toy izany koa ny latabatra: Azy io. Tsy tokony hihinana na hisotro izany raha tsy mahalala akory izay atao. Tsy sakafo toy ny andavanandro io; ao amin’ny fiangonana io, “raha miangona ianareo”. Tsy zavatra azo atao ivelan’ny fiangonana izany, tsy sakafo atao araka ny sitrapon’ny tena, toy ny sakafo hafa. Tsy maintsy fantarina izay atao, sehatra inona no misy anao. Ny mivory fotsiny mba hiara-misakafo dia tsy azo atao hoe fanasàn’ny Tompo, ary raha eo koa ianao, tsy ho anao irery ihany, fa miaraka amin’ny sasany (and 20-22). Tsy misy fandraisana ny Fanasàn’ny Tompo samy irery.

 

Fomba matotra no tian’ny apostoly hijerentsika ny Fanasàn’ny Tompo, hametraka azy io ho zavatra miavaka mihitsy ao amin’ny fivoriana, na ny marimarina kokoa, ho tena tanjon’ny fivoriana. Azo antoka fa ny Tompo, raha namela tamintsika io tsangambato io, dia te-hamoha ny fitiavantsika, nefa, miaraka amin’izany koa, dia manetriketrika ny fotoana rehetra noho izay apetraka eo anoloantsika. Manjary tompon’andraikitra isika, tsy hoe ahafahantsika mialangalana, fa mba hisitrahana an’izany bebe kokoa amin’ny fiainantsika marina ny zavatra asehon’ny Fanasàn’ny Tompo.

 

Raha nananatra ny Korintiana ny apostoly noho ireo korontana niseho teo aminy tamin’ny fandraisana ny Fanasàn’ny Tompo, dia nanome antsika koa andinindininy sarobidy mampiseho amintsika ny vidin’ny Fanasàn’ny Tompo eo imason’Izy Tompo, ary ny tokony ho vidiny ao am-pontsika koa. Na dia afaka nianatra tamin’ireo apostoly hafa aza i Paoly, ka angamba efa nahita ny fomba fankalazana ny Fanasàn’ny Tompo teo amin’ireo mpianatra tao Damaskosy sy Jerosalema, dia ny Tompo mihitsy no nanome azy ny fampianarana tokony hataony momba io: “Fa izaho efa nandray tamin’ny Tompo izay natolotro anareo kosa”. Noho izany, ny Fanasàn’ny Tompo dia toy ireo fahamarinana hafa noraisin’i Paoly mivantana avy amin’ny Tompo, ary mampiseho koa izany ny hasarobidiny eo imason’ny Tompo. Ahoana àry no mahatonga ny kristiana sasany tsy dia hiraharaha firy io fanorenana io, toy ny hoe zavatra azony atao araka ny sitrapony, ary misy mihitsy aza milaza fa: “raha toa moa izany ka hanampy ny finoany”?

 

Tsy adinon’i Paoly ny mampahatsiahy ny toe-javatra nitranga tamin’ny nanorenan’ny Tompo ny Fanasana ary izany no tokony haha-sarobidy azy kokoa ao am-pon’ny voavidy rehetra: “Fa Jesoa Tompo, tamin’iny alina iny izay namadihana Azy, dia nandray mofo”. Tamin’ilay alina nanaovan’ny haratsiam-panahin’ny olona sy Satana teti-dratsy taminy; ilay alina izay namadihan’ny mpianany iray Azy, izay nanolorana Azy ho amin’ny fahafatesana; natolotra teo am-pelatanan’ny ratsy fanahy, natolotra ho antsika. Toy inona moa ity lohahevitra natao eo anoloan’ny feon’ny fieritreretana sy ny fontsika ity: ny Tompo izay natolotra! Hasiahana ao am-pon’ny olona no asehon’izany, ary koa fahasoavana tao amin’Ilay nanaiky hatolotra. Tsy nisy afaka nanendry tànana Azy na nisambotra Azy raha tsy sitrapony (Jaona 18:5-6), fa nanolo-tena Izy, natolotr’Andriamanitra, ary ho antsika izany!

 

Ary io alina io ve tsy mampahatsiahy antsika na inona na inona? Tamin’ny nanolorana Azy, taiza Izy? Talohan’ny nanolorana Azy, inona no nataony? Tao Getsemane Izy, niaina ny tebiteby alohan’ny ady; dinitra tahaka ny rà no nikoriana avy tamin’ny handriny; alahelo lalina mandifotra no nahazo ny fanahiny aloha ny fahafatesana sy ny fandaozana Azy hiatrika irery ny fitsaràn’Andriamanitra. Izany alina izany no apetraka eo anoloantsika; alina izay nikotrehana ny famonoana olona mahatsiravina indrindra nataon’ny zanak’olombelona, alina izay nanekena ny sorona lehibe indrindra, alina izay nandraisan’ny fitiavana ny amboara avy tamin’ny Ray noho ny fankatoavana Azy, noho ny fahafoizan-tena ho antsika.

 

Ary tamin’izany alina izany, talohan’ny fijaliana sy ny fanatanterahana ny sorona, no nieritreretan’i Jesoa ny mpianany, ny voka-tsoa malaza ateraky ny asany ho azy ireo, ny zavatra izay ahazoany mandray azy ireo any amin’ny voninahiny; ary dia nanorina izay tokony hahatsiarovana Azy Izy, ao am-pon’ireo olon-tiany mandritra ny tsy maha-eo Azy. “Satria tiany ny olony teo amin’izao tontolo izao, dia tiany hatramin’ny farany”, ary nomeny io tsangambato io mba ho fahatsiarovana ho antsika mandra-pialantsika etỳ an-tany. Enga anie ka ho ao am-pontsika ny fahatsiarovana ny alina izay namadihana Azy rehefa manatona ny Latabatra isika, ary enga anie ka hisitraka ny fahamarinan’ilay fitiavana feno hamoram-po sy hery izay itiavany antsika hatramin’ny farany isika!

 

Fa na dia mampivarahontsana aza ny toe-javatra nitranga iny alina iny, toe-javatra izay nampahatsiahivina antsika ka manohina tanteraka ny fontsika, na dia fahatsiarovana ny fahafatesan’ny Tompo aza izany, ho antsika dia fanafahana ho voninahitr’Andriamanitra izany, ary izany no mahatonga ny Fanasàn’ny Tompo ho fanati-pisaorana. Nandray mofo i Jesoa ary “rehefa nisaotra Izy dia novakiny”. Nisaotra Izy, toy ny mahazatra Azy tamin’ny fotoana hafa. (Matio 15:36; Jaona 11:41). Nahoana Izy no misaotra eto? Miaina mialoha ny fahavitan’ilay asa antony nahatongavany Izy, asa izay hitany ary nankasitrahany ny vokatra goavana entiny ho voninahitr’Andriamanitra sy ho famonjena ny olony (Jaona 17), — ary iza moa no afaka hitsara izany afa-tsy Izy? — ary dia manao fiderana mialoha Izy eo anivon’ny Fiangonana, izay soloin’ireo olom-bitsy tena. Nomeny toromarika tokony harahina isika amin’izao fotoana efa nahavitan’ilay asa izao, ka isitrahantsika ny zavatra rehetra azo vokatr’izany. Toy inona no tokony ho fisaorana hipololotra avy ao am-pontsika raha mahatsiaro Azy, ny fitiavany ary ny fitiavan’ny Ray izay nanome ny Zanany ho antsika ! Efa nomarihintsika fa misaotra[2] ny Tompo alohan’ny kapoaka. Tsy misy fitsipika matotra momba ny fomba tsy maintsy ankalazantsika ny Fanasàn’ny Tompo; tsy voarakitra an-tsoratra ny teny nolazain’ny Tompo tamin’izany fa, toy ny mahazatra, dia ny Fanahy no mampianatra antsika ny zava-drehetra araka ny fo sy fihevitr'Andriamanitra, mba hitondrantsika tena tsy araka ny soratra maty, na litorjia tsy misy aim-panahy, fa araka ny fiainana sy ny fiasan’ny Fanahy ao anatintsika.

 

Novakiny” ny mofo. Ny famakiana ny mofo dia maneho fa fahatsiarovana ny fahafatesan’i Kristy no atao eto. Izy tenany mihitsy no namaky ny mofo. Nilaina ny fahafatesany, ary nanolo-tena Izy. Araka ny efa hitantsika, tsy nisy olona afaka nikasi-tànana Azy. Nomeny an-tsitrapo ny ainy, ary izany no nitiavan’Andriamanitra azy (Galatiana 1:4; Jaona 10:18). Mamaky ny mofo isika amin’izao fotoana izao mba hahatsiarovana ny zava-nitranga; afaka manao izany isika, satria efa nanolo-tena mialoha Izy. Afaka mandray anjara amin’izany ny tsirairay, satria ho an’ny olona tsirairay no nanolorany tena. Rehefa mamaky ny mofo aho, maka silany ary mihinana an’izany, dia mahatsiaro fa ho ahy no nijalian’ilay Zanak’Andriamanitra tonga olona; izaho no tiany (Galatiana 2:20).

 

“Ity no tenako”, hoy ny Tompo. Fantatsika fa ny dikan’izany dia hoe: ity no maneho ny tenako. Amin’izao fotoana izao, efa any an-danitra ny tenan’ny Tompo izay nasandratra (Lioka 24:51; Asan’ny Apostoly 3:21; Hebreo 1:3). Fa ny mofo izay atao eo anoloantsika dia mampahatsiahy antsika ny tenany, tamin’Izy tetỳ an-tany, ilay vatana namboarin’Andriamanitra (Hebreo 10:5), vatana nampiasainy hanomezam-boninahitra ny Rainy tamin’ny fandalovany tetỳ an-tany, vatana izay nananany fifandraisana tamintsika (1 Jaona 1:1-3), vatana izay niaretany ny hanoanana, ny hetaheta, ny hasasarana (Lioka 4:2; Jaona 4:6; 19:28), vatana izay nitondrany ny rofintsika (Matio 8:17), ny fahotantsika teo ambony hazofijaliana, ary natao tao am-pasana.

 

Ary hoy ny Tompo manampy izany: “Izay omena ho anareo”. Eny, ho antsika izany; azo lazaina fa isika no tompony. Fitiavan-dehibe avy aminy izany! Ary mitaky fitiavana avy amintsika koa! Ilay vatana masina sy madio, tempolin’Andriamanitra tetỳ an-tany, dia natao ho antsika. Izay rehetra nanjo azy tamin’ny fiainany, tamin’ny fijaliany sy tamin’ny fahafatesany, dia ho antsika… Tonga olona Izy, nitafy nofo, fa ho antsika izany, mba hahafahany manolo-tena ho antsika, mijaly sy maty ho antsika. Akony lehibe toy inona no tokony ananan’io teny “ho anareo” io ao am-pontsika! Fanehoana fitiavana mamy izany. Raha tsy nisy isika, tsy nila nidina avy tany an-danitra Izy, tsy nila naka io vatana niaretany ny zava-drehetra mifanohitra sy ny fankahalana misy ao amin’ny olombelona io, io vatana notevatevaina sy nalam-baraka io, nosatrohana tsilo, nokapohina ary nombohina tamin’ny hazofijaliana; nefa nila famonjena isika ary tonga Izy ho antsika. Mbola misy hevitra hafa koa fonosin’ny fanolorany tena. Nofoanany ny Tenany, naka ny endriky ny mpanompo Izy, nanoa hatramin’ny fahafatesana teo ambony hazofijaliana, mba hankalazana an’Andriamanitra Rainy, araka ny nolazainy hoe: “Ray ô! Izaho efa nankalaza Anao” (Jaona 17:1-5); tsy azo adinoina izany; saingy eto i Jesoa dia mampiseho amintsika izay mikasika antsika, mba hiraiketan’ny fontsika Aminy, ary izany no hanampiany hoe:

Izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy”. Aoka i Jesoa, ilay Persona sarobidy nanolo-tena ho antsika, no ho jeren’ny mason’ny fontsika rehefa mamaky ny mofo isika. Izany no takiany amintsika. Afaka hangataka latsak’izay ve Izy? “Izao no ataovy”: tsy hoe raha tianareo, tsy hoe araka izay heverinareo ho mety, fa “ataovy”. “Ho fahatsiarovana Ahy”, Izy Ilay nomen’Andriamanitra aseho ny fanahintsika. Ary izany dia mandrindrina ny varavarana amin’ireo eritreritra rehetra, mba hisitrahantsika Azy irery ihany. Moa ve izany tsy manala ny fikarohana ny eritreritra manokana anaty, ny eritreritra poakaty itarainantsika matetika, ny eritreritra iheverantsika ny olona manodidina antsika? Izy irery, i Jesoa, no tsaroantsika. Olona tokony hotiavina ohatra izany ve tsy hanarona ny zavatra hafa rehetra? Toa bitika sy mampalahelo daholo ny zavatra rehetra miohatra amin’ilay fitiavan-dehibe nitiavany antsika. Rehefa mahatsiaro Azy isika, akory ny hazavana feno fahasoavana ao am-pontsika, akory ny hamanitry ny fitiavany masina, akory ny fiadanan-tsaina mandrakotra antsika! Izy no tokony hobanjinintsika, ka hataontsika eo amin’ny masom-panahintsika, dia hanjavona toy ny haizina eo anoloan'ny famirapiratan’ny masoandro ny zava-drehetra. Ny naha-Izy azy, ny zava-bitany ho antsika tetỳ an-tany noho ny halemem-panahy nasehony, izany no tiany ho tsaroantsika. Mahatsiaro izany isika amin’ny Fanasàn’ny Tompo, ary manjary afaka manao sy misitraka izany, satria miray Aminy, ao amin’izay misy Azy ankehitriny, ary miray aina Aminy.

 

Izay no tapany voalohany amin’io fanati-pisaorana io: ny famakiana ny mofo.

 

Ny tapany faharoa indray dia mikasika ny kapoaka. “Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny rako”, hoy Izy. Io izany, ary io no maneho ny atao hoe fanekena vaovao. Araka ny efa hitantsika, ilay fanekena taloha (Eksodosy 24:8), dia naorina tamin’ny fankatoavana, ary ny tambin’ny fandikàna izany dia ny fahafatesana. Ny fanekena vaovao kosa, izay miorina amin’ny ran’i Kristy, dia mifototra amin’ny famelan-keloka. Tsy nesorina tamin’I Isiraely izany tombontsoa noho ny nahafatesan’i Kristy izany, satria hampiharina aminy io fanekena vaovao io. Ho avy ny andro izay hitodihany amin’Ilay efa nolefoniny. Fa eto, isika no misitraka io tombontsoa manokana entin’ny fanekena vaovao io, na dia manana tsara lavitra noho izany aza isika, tombontsoa mihoatra lavitra noho ny an’i Isiraely (Efesiana 1:3-7). Nahazo ny fanavotana isika noho ny rany, ny famelan-keloka noho ny haren’ny fahasoavany; noho izany, tsy tsaroan’Andriamanitra intsony ny fahotantsika, na ny tsy fahamarinantsika, ary omena ny firenena jiosy koa izany tombontsoa izany ao amin'ny fanekena vaovao. Natokan’ny Fanahy Masina isika, ka mahazo anjara amin'io famafazana ny ra sarobidin’i Kristy, ilay Zanak’ondry tsy misy kilema sy tsy misy pentimpentina, io (1 Petera 1:2,19). Io ra izay manonitra ny fahotana io no fototra iorenan’ny fitahiana antsika: mampahatsiahy izany amintsika ny kapoaka.

 

Eto koa izany isika dia mbola mahita ihany ny tsangambato fahatsiarovana ny fahafatesan’i Kristy. Ny kapoaka sy ny mofo novakina dia mampahatsiahy antsika an’i Jesoa tamin’ny nahafatesany, satria nalatsaka ny ra, navahana tamin’izany ny vatana, fa izy roa ireo kosa dia samy fanehoana fahafatesana. I Jesoa izany, tamin’ny nahafatesany, no ampahatsiahivina antsika “na oviana na oviana” no misotro amin’ny kapoaka isika; Izy, izay tia antsika amin’ny fitiavana mahery noho ny fahafatesana, nidina ho any amin’ny fahafatesana ho antsika. “Na oviana na oviana”, aoka isika tsy hisotro amin’ny kapoaka mihitsy raha mbola variana amin-javatra hafa ivelany ny fontsika: “Ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana”, izany no lazain’i Jesoa amintsika. Ny fahatsiarovana Azy tamin’ny nahafatesany ho antsika, dia mifamatotra amin’ny mofo isaky ny mamaky izany isika ka mihinana, sy amin’ny kapoaka, isaky ny misotro amin’izany isika.

 

Fa tsy ny lasa ihany no tsaroana rehefa mandray ny Fanasàn’ny Tompo. Mankalaza izany isika ankehitriny eo anivon’izao “vaninandro ratsy” izao. Ary amin’ny Fanasàn’ny Tompo no anambaràntsika ny fahafatesany. Isaky ny mihinana ny mofo sy misotro ny kapoaka isika, dia manambara amin’izao tontolo izao ity zava-mahagaga ity: ny fahafatesan’ny Tompo. Fifangaroan-teny manao ahoana moa izany! Efa maty ny Tompo. Mahatsiaro izany isika ary mitsaoka Azy, manao fanati-pisaorana sy fiderana, ary ny fontsika dia miondrika manoloana ilay fitiavany lehibe, satria fantatsika fa maty ho antsika Izy, ary fantatsika ny fahasoavana azony ho antsika noho izany, ary fantatsika koa ny toerana misy antsika noho izany fahafatesana izany. Kanefa manambara ny fahafatesan’ny Tompo isika. Aiza ary amin’iza? Eo anivon’ity tontolo izay nankahala, nandà ary nanombo an’i Kristy, ilay Tompo, ity. Raha mitory ny fitiavany antsika sy manambara fiadanana ny fahafatesany, ho an’izao tontolo izao kosa, dia mitory fitsarana sy fanamelohana izany (Jaona 12:31; 15:18; 16:8). Ary inona no vokatr’izany fahafatesana izany ho antsika raha ny momba izao tontolo izao? Manasaraka antsika amin’izao tontolo izao izany; manisy hantsana eo anelanelantsika sy izao tontolo izao. Tsy nanolo-tena hisarika antsika hiala amin’izao “miara-belona ratsy fanahy” izao ve i Jesoa? (Galatiana 1:4). Tsy naman’izao tontolo izao isika, toy ny tsy naha-naman’izao tontolo izao Azy; avy amin’Andriamanitra isika ary izao tontolo izao kosa dia midaboka eo amin’ilay ratsy avokoa (Jaona 17:14-16; 1 Jaona 5:19). Ny latabatra mivelatra dia maneho mandritra ny taon-jato mifandimbidimby fa ny Tompo, Izay tonga tetỳ an-tany, dia novonoina. Koa inona no fifanekentsika amin’izany tontolo izany, inona no hevitra sy saina ary tombontsoa mety iarahantsika manana aminy? Nefa marina koa fa eo anivon’io tontolo io, dia manambara amin’ny mpanota isika fa io fahafatesan’ny Tompo io no afaka mampihavana azy indray amin’Andriamanitra ary hialany amin’ny fitsarana izay hanjo izao tontolo izao. Toe-javatra feno fahasoavana, asa sarobidy, hafa-pitiavana!

 

Fa akamban’ny apostoly amin’ny fijerena ny lasa sy ny ankehitriny ny fibanjinana ny ho avy. “Na oviana na oviana…dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo ianareo mandra-piaviny”. Fanorenana maharitra izany io. Mitoetra io raha mbola etỳ an-tany foana ny Eglizy. Nefa miandry ny Eglizy; manana fanantenana izy; fantany fa Kristy izay tia azy sy nanolo-tena ho azy, dia manamasina azy, manadio azy amin’ny rano fanasana amin’ny teny, tia azy ary mamahana azy, ary io Kristy io indray andro any no handray azy ho an’ny tenany, ho Fiangonana malaza tsy misy pentimpentina na fiketronana na izay toy izany (Efesiana 5:25-29). Fantany fa hankalazaina any an-danitra ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry, ary miandry ny fotoana hiaviany izy. Fantany fa efa akaiky izany fotoana izany satria hoy Izy hoe “Ho avy tsy ho ela Aho”, ary “mandra-piaviny”, raha mibanjina Azy eny ambony eny izy, dia mahatsiaro an’Ilay nolavin’izao tontolo izao, ary ny toerana nisy ny Tompony teto amin’izao tontolo izao no raisiny, dia toerana feno fahafaham-baraka. Inona no hifandraisan’ny Ampakarina amin’izao tontolo izao izay nanombo an’i Kristy? Tafasaraka amin’izao tontolo izao izy, miandry ny fotoana hahitana Azy, ary mahatsiaro ny fitiavany.

 

Izany ve ry havana malala no fomba hamakiantsika ny mofo sy hisotroantsika ny kapoaka? Izany fahamarinana masina izany ve no ao am-pontsika? Azontsika tsara ve fa sarobidy ao am-pon’i Jesoa ny fahatsiarovantsika Azy? Ahoana ny fomba entintsika manatona ny Latabatry ny Tompo? Tena tafasaraka marina amin’izao tontolo izao ve isika? Amin’ny andro voalohany amin’ny herinandro, rehefa manatona izany latabatra izany isika, entintsika eo ve ny fanahiantsika, ny zava-manahirana antsika, ny fahambanian-tsaintsika, sa feno Azy ny fontsika, Izy izay eo afovoantsika ary hampahatsiahivin’ny latabatra amintsika? Tonga mba handray fahasoavana ve isika, sa feno fisaorana ny fanahintsika? Marina fa tsy afaka mieritreritra an’i Jesoa, mahatsiaro Azy isika, ka tsy hiredareda ao am-pontsika ny fitiavana Azy, ary amin’izany no handraisantsika avy Aminy, satria mamboraka ny ao am-pony Izy ary manolotra izany ho antsika. Fa ny fontsika koa tokony hamboraka fiderana, dia hisy fitia mifamaly, ary zava-tsarobidy ho an’i Jesoa izany famborahantsika ny ao am-pontsika izany:

 

Fanompoan’ilay fo tia Anao

Hanitra mameno ny lanitra

Voatahiry ho amin’ilay fotoana fara-tampony

Nahatanteraka ny sorona nataonao.

 

Enga anie, rehefa tafavory isaky ny andro voalohany amin’ny herinandro isika mba hamaky ny mofo, ka hankafy izay nomen’ny fitiavany antsika eo isika, miandry ny fiaviany ary hiteny manodidina ilay Zanak’ondry hoe: “Mendrika ianao” sy “Ho an’ilay tia antsika, izay nanasa ny fahotantsika tamin’ny rany… ho Azy anie ny voninahitra. Amena.”

 

 

* * *

 

 

Misy lahatsoratra roa ao amin’ny Asan’ny Apostoly izay miresaka ny famakiana ny mofo: ny iray ao amin’ny toko faha-2, ny iray ao amin’ny toko faha-20. Ao amin’izy roa ireo, raha vao niforona ireo fiangonana voalohany, na teo amin’ny Jiosy na teo amin’ny jentilisa, dia hitantsika fa ny famakiana ny mofo, ny fahatsiarovana ny nahafatesan’ny Tompo, no nitana ny toerana misongadina avo izay tokony nananany, tao amin’ny fiangonan’ireo olo-masina. Azony tsara ny tian’ny Tompo ho natao, ny hetahetan’ny fony. Hamaky ny mofo no niangonan’ireo mpianatra (20:7). Naharitra tamin’izany izy tany Jerosalema, ary naharitra koa tamin’ny foto-pampianarana, ny fiombonan’ny apostoly ary ny vavaka. Mety ho azo tsoahina avy amin’ny toko faharoa, andininy 46, aza fa namaky ny mofo isan’andro izy ireo.

 

Fa mbola misy zavatra hafa entin’ny lahatsoratra faharoa (20:7) ho antsika. Hitantsika ao hoe andro inona no nofidina teo amin’ireo kristiana avy amin’ny jentilisa mba hivoriana hamakiana ny mofo, ary tsy mihambahamba aho milaza fa torohevitry ny Fanahin’Andriamanitra io. Tsy misy fitsipika hentitra nomena antsika; tsy hifanaraka amin’ny fitantanan’ny Fanahy ny asany koa izany. Nefa maro ireo andinin-tSoratra Masina no mampiseho amintsika fa ny andro voalohany amin’ny herinandro dia manana toerana manokana (Ampitahao 1 Korintiana 16:1,2; Jaona 20:19-26; Apokalypsy 1:10). Mahavariana sy mitondra fananarana ho antsika koa ny manamarika ny fifandraisana misy eo amin’ny fankalazana ny Fanasàn’ny Tompo sy io andro voalohany io. Ny Fanasàn’ny Tompo dia mampahatsiahy antsika ny nahafatesan’i Jesoa, dia ny andro zoma. Mety hihevitra angamba ny olombelona hoe io andro io no tsara ahatsiarovana izany fahafatesana izany. Nefa ny fihevitr’Andriamanitra tsy fihevitr’olombelona. Ny zoma dia andron’ny olombelona, andro toa nandresen’ny herin’ny maizina, izay nanaisotra tetỳ ambonin’ny tany Ilay fahazavàny. Ny alahady, andro voalohany amin’ny herinandro, dia andron’ny Tompo. Mampahatsiahy ny fahefany nitsanganany tamin’ny maty. Io no andro nandreseny an’i Satana sy ny fahafatesana; ny fiantombohan’ny andron’ny mandrakizay. Io no andro izay nahatongavany voalohany teo afovoan’ny mpianany izay niangona raha naharay ny hafatra nentin’i Maria Magdalena, rehefa tafatsangana tamin’ny maty Izy. Koa tsy mety ve raha amin’io andro io no atolotra ireo izay tiany ny sakafony, ny fanasàn’ny Tompo? Miara-mahatsiahy an’i Kristy izay maty isika, nefa efa velona ankehitriny ary ho mandrakizay mandrakizay, Kristy izay nividy antsika tamin’ny fahafatesany ka nitondra antsika hiaraka Aminy eo amin’ny sehatry ny fahariana vaovao, eo amin’ny fiainana nandresy fahafatesana. Ny Fanasàn’ny Tompo dia mampahatsiahy ny fahafatesany, ny andro ankalazana izany kosa mampahatsiahy ny maha velona Azy.

Ireo fanamarihana farany ireo dia tsy natao hanomezan-tsiny ireo rahalahy izay mamaky ny mofo amin'ny andro hafa noho ny andro voalohany, raha sendra tafavory izy ireo; nefa zavatra tokony ho dinihina eo imason’ny Tompo izany.

 

 

Fanamarihana

 

momba ny 1 Korintiana 11:26-34

 

 

Teo amin’ireo pejy teo aloha ireo, dia nohazavaina ny momba ny Latabatry ny Tompo sy ny Fanasàn’ny Tompo. Noresahina teo ny fanorenana ny Fanasàn’ny Tompo, ny dikany ary ny fampianarana izay omen’ny latabatra sy ny fanasana, ny tombontsoan’ny voavidy, izay isan’ny tenan’i Kristy, manana ny toerany ao sy afaka mandray anjara. Ny lafiny fahasoavana izany no tena nambara tamin’ny mpamaky teo.

 

Fa misy koa lohahevitra iray hafa, dia ny andraikitra mifamatotra amin’ny fisitrahana izany tombontsoa sarobidy izany. Ilaina ny manisy teny kely momba io, sady manazava ho an’ireo izay mbola mety manana hevi-diso, no mampahery ny fo matahotahotra, ary mampirisika sy mananatra ireo izay manao tsirambina sy tsy dia manome lanjany loatra ny Fanasàn’ny Tompo.

 

Miteny amin’ny “Fiangonan’Andriamanitra any Korinto, dia izay nohamasinina ao amin’i Kristy Jesoa”, ny apostoly. Naorina ny Fanasàn’ny Tompo, novelarina ny Latabatra tao amin’ny Fiangonan’Andriamanitra, ho an’ireo voavidin’i Kristy, ireo izay isan’ny tenany. Fahasoavana izany, tombontsoa manokana ho an’ny tsirairay ary tokony hotandrovany satria ny Tompo mihitsy no manome lanjany izany. Fanehoana ny fitiavany io, ary tsy misy fo mahalala Azy ka tsy ho tohina sy tsy haniry ny hamaly izany isaky ny misy ahazoana manao izany, isaky ny andro voalohany amin'ny herinandro, rehefa manatona ny Latabatry ny Tompo mba hahatsiarovana Azy ary hanambaràna “ny fahafatesany mandra-piaviny”. Mety misy fotoana tsy ahafahana miara-manatanteraka izany amin’ireo mivory amin’ny anaran’ny Tompo mba handray, na dia irina tokoa aza izany ary tsapa ny fahabangany: ireny tsy fahafahana manokana ireny dia fantatry ny Tompo, ary Izy no nandahatra azy. Fa raha ohatra kosa tsy mitombina ny antony, tsy misy zavatra tena manakana, nefa tsy manatona ny Latabatry ny Tompo, dia mampalahelo ny fony izany, tsy fanajana ny anarany ary fanehoana ny tsy fahampian’ny fiainana ara-panahy. Teo amin’ny vahoakan’Andriamanitra fahiny dia tsy maintsy nankalaza ny Paska ny olona rehetra: “ny fiangonana, dia Isiraely rehetra, hitandrina an’izany” (Eksodosy 12:47). Ary raha nisy tsy nanao izany dia voasazy (Nomery 9. 13). Tsy mitovy amin’izany angamba ny fanamelohana hanjo ny olo-masina ankehitriny, saingy ny zava-bery ho an’ny fanahy satria nanome alahelo ny Tompo ve tsy efa famaizana?

 

Mampalahelo tokoa fa maro ireo olona izay manamaivana sy tsy dia manome lanja loatra ny fandraisana anjara eo amin’ny Latabatry ny Tompo, ary mampiseho izany fa tsy ankasitrahana araka ny tokony ho izy io Fanasana io. Matetika no manaiky mora ho sakanana tsy hiara-hivory amin’ny olo-masina noho ny zavatra tsy dia misy dikany loatra, ary raha nisy hafanana kokoa ho an’i Jesoa tao am-po, dia ho hita fa tsy dia misy lanjany ireny zavatra ireny. Tokony ho faly mihitsy isika hahita Azy amin’io fotoana nomeny antsika eo amin’ny Latabany io! Nefa misy raharahan-tokantrano, fitiavana tsy te-hisahirana, andro ratsy, sns, ary mijanona ao an-trano. Raha mikasika ny tombontsoa etỳ an-tany, ry havana malala, hanaiky ny ho voasakana mora foana toy izany ve ianao? Tsy ho hainao ve ny hitady fotoana hafa hikarakarana ny ao an-tokantranonao, handresy ny hakamoanao, tsy hiraharaha ny haratsian’ny andro, noho ny fahatahoranao ny hahavery ny tombontsoa izay azonao amin’ny iray andro? Dia tsy matahotra ny hanisy ratsy ny fanahinao ve ianao amin’ny tsy firaharahianao an’i Kristy?

 

Amin’ny olona hafa, dia tsy misy izany fanamaivanana izany; ny mifanohitra amin’izany aza no hita. Manana fo tena te-hanao izay tian’ny Tompo izy, nefa misy tsy fahalalana, misy hevi-diso momba ny Fanasàn’ny Tompo, ary misy tsy geja izay indraindray mihazona azy lavitry ny Latabatry ny Tompo. Ny fandraisany an’izany Fanasana izany dia zavatra mampatahotra, misy zava-miafina mampangovitra, fa tsy hitany hoe ao amin’io Fanasàn’ny Tompo io no hanehoana amintsika ny fitiavana fenon’i Kristy izay nanome ny tenany noho isika sy ho antsika. Ny tenany ihany no banjininy, hitany ny tsy fahamendrehany, tadidiny ny fahotana nataony, tsapany ny haratsian’ny toetrany, ary mieritreritra izy fa alohan’ny hanatonany ny Latabatra, dia tokony ho tsaratsara kokoa noho izay ahatsapany ny tenany izy, ka dia tsy manatona. Tiany ho tsara kokoa ny fanahiny vao mandray anjara amin’ny famakiana ny mofo sy ny fisotroana ny kapoaka. Ny tenany no jereny fa tsy i Kristy. Mendri-piderana ny fitsaràny tena, nefa atahorana fa, na dia mino an’i Kristy ho Mpamonjiny aza izy, dia tsy fantany ny toeram-pahasoavana nametrahan’Andriamanitra azy noho ny asan’i Kristy, ny toerana tonga lafatra misy ny mpino eo imason’Andriamanitra ao amin’Ilay Malalany, ny fahafatesan’izy ireo sy ny fitsanganany tamin’ny maty niaraka tamin’i Kristy, ary noho izany, tsy misy intsony ilay olona taloha izay efa voatsara ary efa vita ny aminy teo amin’ny hazofijalian’i Kristy. Marina fa tokony handini-tena isika, araka ny ho hitantsika amin’ny manaraka, fa tsy tokony hanalavitra ny Latabatry ny Tompo izay anasany antsika, izay ampahatsiahivany antsika ny nijaliany, ny zava-bitany ho antsika, mba hanadiovana antsika amin’ny tsy fahamarinana, mba hanokatra malalaka ny làlana mankany amin’Andriamanitra, ary noho izany, dia manambara amintsika ny Fanasàn’ny Tompo hoe: voafafa ny helokao; manatòna ka misitraha ny Mpamonjy anao.

 

Nefa tsy tokony horaisintsika toy ny fomba ahazahoam-pahasoavana ny Fanasàn’ny Tompo, araka ny fiteny mahazatra. Ny sasany dia mandray izany ho toy ny làlana mampifanatona antsika kokoa amin’Andriamanitra, saingy isika mifanatona Aminy kokoa noho ny ran’i Jesoa no mahatonga antsika handray anjara amin’ny fahatsiarovana ny sorona nataony. Ny sasany indray dia manantena ny hahita ny famelàna ny helony, ny fiadanana sy ny fitsaharana amin’izany; nefa raha tena voavidin’ny Tompo tokoa izy, dia efa manana fihavanana noho i Jesoa; efa navelan’Andriamanitra ny helony. Tsy ao amin’ny Fanasàn’ny Tompo no ahitana famelan-keloka, fihavanana sy fiainana, fa ao amin’i Kristy, ary ny fananana izany no hanatonana ny Latabatra mba hisaorana.

 

Misy koa milaza hoe: “Tsy misy fampandrosoana manokana hitako amin’ny fivoriana handraisana ny Fanasàn’ny Tompo. Faly koa aho mamaky Baiboly any an-trano, ary eo ary aho no tena miray amin’ny Tompo”. Aleon’ny sasany koa mamonjy fivoriana hafa, toy izay, toy ny nataon’ny mpianatra tany Troasy, ny fivoriana hamakiana ny mofo. Fanaovana ambanin-javatra ny tadiavin’ny Tompo izany, tamin’ny nanambarany hoe: “Izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy”. Marina fa tokony hahatsiaro Azy foana isika; tsy tokony hiala ao am-pontsika ny fieritreretana Azy; fa dia tsinontsinona ve ny fiarahantsika mivory, manodidina alohan’ny fotoana ny seza fiandrianan’Ilay Zanak’ondry novonoina, mivory ankehitriny manodidina ny Latabany, eo anoloan’ny fanambaràna ny tenany noratraina, ny rany nalatsaka ho antsika, mitsaoka Azy ary mampiakatra any Aminy ny fiderana sy ny fisaorantsika? Aiza no misy ny fanompoam-panahy, ry havana malala, ny tena fanompoam-panahy, raha tsy eo amin’ ny Latabatry ny Tompo?

 

Misy koa olona tsy manatona ny Latabatry ny Tompo satria mahita, na mieritreritra hoe nahita, eo amin’ny sasany hadisoana tsy nekena, na matetika zava-dratsy natao taminy. Tsy mampianatra antsika izay tokony atao eo anoloan’izany zavatra izany ve ny Soratra Masina, fa tsy handà ny tombontsoa sarobidy ahatsiarovana ny fahafatesan’ny Tompo isika? Voalohany aloha, raha misy fiangonana mitandro ny voninahitr’Andriamanitra sy ny fahamasinan’ny Latabatra, nefa tsy mbola voatery nandroaka izany olona izany, dia tsy maintsy mahatanty azy aho, na inona na inona adalany sy hadisoany amiko, na mitombina izany hadisoana izany na tsia. Miombona amin’ny fiangonana aho. Aoka ho tsaroana ny tenin’ny Tompo hoe: “Aza mitsara mba tsy ho tsaraina”, ary ny nolazain’ny apostoly hoe: “Iza moa ianao izay mitsara ny mpanompon’ny hafa? Amin’ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany.” Manarak’izany, inona no tokony hatao raha tena mahita hadisoana mivandravandra isika? Hoy i Paoly nanoratra ho an’ny Galatiana: “Ry rahalahy, raha misy olona azon’ny ota tsy nahy aza, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin’ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao ianao koa mba alaim-panahy ihany.” (Galatiana 6:1). Hoy ny Tompo: “Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra.” (Jaona 13:14). Manome ohatra tsara ho antsika i Paoly, raha nilaza hoe: “Mananatra an’i Eodia aho, ary mananatra an’i Syntyke, mba hiray saina ao amin’ny Tompo izy” (Filipiana 4:2). Nisy tsy fifanarahana izay nety niteraka zava-doza teo amin’izy roa vavy; am-panetrentena sy am-pahamorana tokoa no nampitodihan’i Paoly azy ireo tany amin’ny Tompo, satria eo Aminy no voafafa daholo ny tsy fifanarahana, eo Aminy no mifamela heloka, tahaka ny namelan’i Kristy ny helotsika (Kolosiana 3:13) Ary farany, raha mieritreritra ianao fa nanota taminao ny rahalahinao na ny anabavinao, dia inona no lazain’i Jesoa? “Ary raha manota aminao ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana ianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao; fa raha tsy mihaino anao kosa izy, dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho voaorina mafy avokoa ny teny rehetra amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo. Ary raha tsy mety mihaino ireo izy, dia ambarao amin’ny fiangonana”. (Matio 18:15-17). Izany no fampianaran’ny Teny izay tokony arahintsika, fa tsy hiataka ny Fanasàn’ny Tompo, izay iombonantsika amin’ny fiangonana. Na ny fiangonana, na ny tena ihany no tsaraina rehefa tsy mandray ny Fanasàn’ny Tompo. Tokony tsy ho entina eo amin’ny Latabatry ny Tompo ny fahakintokintonana, ny lolompo, ny sain-dratsy amin’ny sasany, satria manelingelina ny fiangonana izany, fa tokony kosa ho hany anaty feno famindram-po, hatsaram-panahy ary fahamorana no entina eo.

 

Rehefa voalaza izany rehetra izany mikasika ireo izay mandà, noho ny antony samihafa, ny hisitraka sy hahita ny tombontsoa manokana amin’ny fanambaràna ny fahafatesan’ny Tompo, — ary tompon’andraikitra amin’izany izy — dia ndeha hodinihintsika ilay andinin-tSoratra Masina voalaza etsy ambony. Nilaza ny apostoly nanao hoe: “Fa na oviana na oviana ianareo no mihinana amin’itony mofo itony sy misotro amin’ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo ianareo mandra-pihaviny”. Nampiany hoe: “Koa na zovy na zovy no mihinana ny mofo sy misotro amin’ny kapoaka amin’ny fanahy tsy mendrika, dia ho meloka ny amin’ny tena sy ny ran’ny Tompo izy”. Efa hitantsika fa amin’ny Fanasàn’ny Tompo, ny kapoaky ny fitahiana izay isaorantsika dia fiombonana amin’ny ran’i Kristy, ary ny mofo izay vakiantsika dia fiombonana amin’ny tenany, ary isika, izay maro, mandray anjara amin’izany fanasana izany dia mofo iray, tena iray. Ireo olona rehetra izay voavidin’ny ran’i Kristy sy isan’ny tenany izany dia afaka mipetraka eo amin’ny Latabatry ny Tompo, ary ireo irery ihany. Ahoana moa no tokony hisy toerana ho an’ny tsy mino, ho an’ny mino andriamani-kafa, ho an’ny arianina, ho an’ny olon’izao tontolo izao eo? Rehefa manatona io Latabatra io aho, rehefa mamaky ny mofo sy misotro ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo ambara-pihaviny. Manambara aho izany fa voavonjy noho ny rany, tamin’ny fahafatesany; ary ambonin’izany, isan’ny tenany aho. Manambara aho fa mino ny fahafatesan’ny Tompo ary miray Aminy amin’izany fahafatesana izany, ka noho izany, tafasaraka amin’izao tontolo izao izay nanombo Azy. Raha toa izany rehetra izany tsy zava-misy sy marina ho ahy, nefa mihambo aho fa manana toerana eo amin’ny Latabatry ny Tompo, inona moa aho, raha tsy mpandainga sy mpiatsaravelatsihy? Izany no fihinanana sy fisotroana amin’ny fanahy tsy mendrika, izany no fihinanana sy fisotroana fanamelohana ho an’ny tena, satria tsy mahalala akory ny tenan’ny Tompo, izany no tsy fanajana ny zavatra masina indrindra, izany no fanitsakitsahana azy; izany no atao hoe meloka ny amin’ny tena sy ny ran’ny Tompo. Andraikitra mampahatahotra izany!

 

Ny zavatra rehetra izay nolazaintsika teo dia tsy tokony hampitebiteby ny fanahy saro-tahotra, izay mieritreritra fa tsy nahazo tsara ny fahamarinan’Andriamanitra izay ambara amin’ny Fanasàn’ny Tompo, na tsy mahatsapa tanteraka ny mety ho vokatr’ireo fahamarinana ireo ao am-pony. Tsy fahalalan’ny saina no resahina eto, na fihetseham-po, fa i Kristy. Izy ve no hitanao fa Mpamonjy anao? Matoky ve ianao fa ny ra nalatsany ho famelàna ny helokao, fa ny sorona lavorary nataony dia nahafa-po tanteraka an’Andriamanitra? Mino io fitiavan’i Kristy tsy azo saintsainina io ve ianao, mino fa tonga hitady sy hamonjy anao Izy, ary mino fa ankehitriny, dia mbola miantefa aminao foana io fitiavana io? Amin’ny fo feno fahasambarana ve no hibanjinanao ny Tompo izay maty ho anao, ary te-hahalala Azy bebe kokoa foana ve ianao, mba hahaizanao manompo Azy? Raha izany, na dia malemy sy tsy mendrika aza ny fahatsapanao ny tenanao, dia avia; raiso ny toeranao miaraka amin’ireo rehetra manambara ny fahafatesan’ny Tompo mandra-pihaviny; manatòna, ary aoka isika hiaraka hisaotra Azy, hidera Azy, ary hitsaoka Azy. Marina fa tokony handini-tena isika, ary mitsara ny tenantsika, nefa aorian’izany, tsy tokony hanalavitra ny Latabatra isika, fa hanaraka ny fampirisihana tsara nataon’ny apostoly hoe: “Dia aoka izy hihinana amin’ny mofo sy hisotro amin’ny kapoaka”.

 

Faharoa manaraka izany — ary eto aho dia miresaka an’ireo izay mitono-tena ho kristiana ary angamba tena izy mihitsy — mazava ho azy fa tsy manana toerana eo amin’ny Latabatry ny Tompo ny mpanota mitondra fanafintohinana, olona izay efa latsaka ao anaty fahotana na miaina ao anatin’izany. Raha fantatra ny fahotany na ny toeram-pahotana misy azy — ary na ho ela na ho haingana, tsy maintsy ho fantatra izany — ny baikon’ny Tompo dia manome vaha-olana: “Esory aminareo ilay mpanao ratsy” (1 Korintiana 5:13). Mandoto ny Latabatry ny Tompo ny maha-eo azy, mampikambana izany amin’ny fahotana, manameloka sy manala baraka ny anaran’i Kristy. Raha afaka nanafina tamin’ny fiangonana nandritra ny fotoana voafetra ny momba azy izy, mino ve izy fa afaka tsy ho hitan’Ilay manana maso toy ny lelafo? Tokony ho fantany fa mandra-pahafantatra ny momba azy, dia maka andraikitra faran’izay mampatahotra izy: mihinana sy misotro amin’ny fanahy tsy mendrika izy; meloka izy — ary tena meloka! — amin’ny tena sy ny ran’ny Tompo; mihinana sy misotro fanamelohana ho azy izy, ary hampivarahontsana io fanamelohana io raha tsy mitsara ny tenany sy mibebaka izy!

 

Andeha ho jerentsika kely ny soratra ao amin’ny Korintiana nahatonga izany zavatra nambara teo izany. Miresaka fiangonana kristiana sy ny zava-nitranga nandritra ny fandraisana ny Fanasàn’ny Tompo io lahatsoratra io. Nandritra ny fotoana naharitra nipetrahany tany Korinto, dia nampianatra ireo kristiana tany ny apostoly Paoly momba izay noraisiny — izy tenany mihitsy — tamin’ny Tompo mikasika io tsangambato fahatsiarovana ny fahafatesany io. Toa adinon’ny Korintiana ny zavatra nolazainy tamin’izy ireo, hany ka nisy fanararaotana mamohehatra tafiditra tamin’ny fankalazana ny Fanasàn’ny Tompo, ary nahatonga azy ho tsy nanana ny toetrany intsony. Izany no nahatonga ny fampianaran’ny apostoly momba izany, ny fananarana sy ny fampirisihana nataony. Any amin’ny fiangonana hafa, indrindra amin’izao vaninandro iainantsika izao, mety ho samihafa ny tranga miseho, nefa mitoetra ihany ny foto-kevitra; manana ny lanjany ho antsika izany ny fananarana sy ny fampirisihana ao. Mivoitra amin’ny teny ampiasain’ny apostoly amin’ny fananarany ny laza sy ny lanjan’io hetsika io, izay hahatsiarovantsika ny nahafatesan’ny Tompo, ny fahafoizan-tenany ho voninahitr’Andriamanitra sy ho famonjena antsika, ny fitiavany ny olony. Afaka mihinana ny mofo sy misotro amin’ny kapoaka “amin’ny fanahy tsy mendrika “ isika. Noho izany, dia “meloka amin’ny tena sy ny ran’ny Tompo “ isika, satria tsy fantatsika sy nataontsika tsinontsinona ireo. “Mihinana sy misotro fanamelohana ho an’ny tena” isika. Tokony hampieritreritra fatratra antsika izany. Ankoatra izany, ny fandraisana ny Fanasàn’ny Tompo amin’ny fanahy tsy mendrika dia nisy vokany nahafaty, ary nanjo ny Korintiana izany.

 

Tsy tsinjony intsony izay nampianarin’i Paoly azy ireo, ary angamba noho ireo riba nahazatra azy tamin’ny fanompoan-tsampy, dia lasa nataony ho fiaraha-misakafo tsotra izao ny Fanasàn’ny Tompo rehefa nivory ho fiangonana izy ireo. Tamin’izany Fanasana izany, izay toa lasa fihinanam-be, dia ny fitiavan-tenany sy ny fieboeboany no nasehony, ary tsy niraharaha ireo mahantra izy. Raha tokony ho nifampiandry mba hanehoana ny fiombonany izy ireo, dia izay tonga aloha no nihinana, ary tsy niraharaha ireo izay noana. Ankoatr’izany, nanaram-po tamin’ny fisotroana izy, hany ka nisy aza ny mamo, ary nanao tsinontsinona sy nanala baraka ny fahamasinana sy ny fahadiovana tao amin’ny fiangonan’Andriamanitra izy ireo tamin’izany. Izany fihetsika izany no atao hoe mihinana sy misotro amin’ny fanahy tsy mendrika, satria mandrakotra ny zava-masina natao isarihana ny fanahy tsy hibanjina ny zavatra etỳ an-tany fa ny Tompo ihany, ary mampiasa izany ho amin’ny filàn’ny nofo fotsiny ihany ary ho amin’ny fitsiriritana aza. Tsy hitany izany ny tena, izany hoe tsy hitany izay maha-samihafa ny fanehoana ny tenan’ny Tompo sy ny sakafo andavanandro. Tsy hitany ny tena votoaty sy ny toetry ny Fanasàn’ny Tompo — ny fahafatesan’ny Tompo — ary vokatr’izany, dia “meloka” amin’ny tena sy ny ran’ny Tompo izy ireo, ka niharan’ny fitsaràn’Andriamanitra izay niantraika tamin’ny vatany. Fanamelohana etỳ an-tany izany: betsaka ny marofy sy marary, ary maro no efa nodimandry. Izany no namaizan’ny Tompo azy, mba tsy hohelohina miaraka amin’izao tontolo izao izy ireo. “Izany no asan’ny fitondran’Andriamanitra, izay manome ny fahefana eo am-pelatanan’ny Tompo izay mitsara ny ankohonany”. Fatiantoka lehibe tokoa no nahazo ireo tratran’izany fitsarana izany — voailika satria mifanohitra amin’ny fahamasinana takian’ny Latabatry ny Tompo ny fizotrany, ary nanamavo izay tokony hahatsiarovana Azy ao am-po.

 

Ndeha hampiharintsika amin’izao vaninandro iainantsika izao izany fampianaran’ny apostoly izany. Amintsika ny Fanasàn’ny Tompo dia tsy aorian’ny fisakafoanana tsotra. Mankalaza izany amin’ny fomba tsotra tokony ho izy isika, raha jerena ivelany. Tsy natao hahavoky na himamoana io. Nefa mety hanana toe-tsaina sy toe-po koa isika amin’izany, mahatonga io Fanasana io hitovy amin’ny fisakafoanana tsotra eo imason’ny Tompo. Matetika no manatona am-pahazarana fotsiny, tsy mahatsapa ny lanja sy ny haja tokony ho an’io fotoana io, tsy nandini-tena; fahamaivanana izany sady fahadisoana. Eto, dia mindrana ny tenin’olona iray izahay: “Ny fahafatesan’ilay Kristy izay natolotra no tsaroantsika. Ilay tena nomena dia azo lazaina fa natao eo anoloan’ny masony. Ny ra nalatsaky ny Mpamonjy dia mitaky ny fitiavana avy amin’izy ireo. Raha mandray anjara amin’ny Fanasàn’ny Tompo amin’ny fanahy tsy mendrika izy, dia meloka noho ny fanaovana tsinontsinona ireo zava-tsarobidy ireo. Tamin’ io didy io, dia ny Tompo mihitsy, tamin’ny fomba mampihetsi-po, tamin’ny fotoana namadihana Azy, no nisarika ny saintsika hifantoka amin’ny tenany izay natolony sy ny ra izay nalatsany ho antsika. Nefa na nampitodika ny fo sy ny saina tamin’izany zavatra izany aza i Kristy, dia tsy maintsy ampiharina koa ny fifehezana momba io didy io, ary amin’ny fomba manetriketrika tokoa. Niharan’ny famaizana ireo izay nanao tsinontsinona ny tena novakiana sy ny ran’i Kristy, satria mandray anjara amin’izany tsy am-piheverana. Noho izany, maro tamin’izy ireo no farofy sy narary, ary betsaka no nodimandry, izany hoe maty.”

 

Tsy mila manontany tena hoe mendrika ny handray anjara amin’ny Fanasàn’ny Tompo ve? Efa voalaza hoe: “Aoka ny olona hamantatra ny tenany, dia aoka izy hihinana ny mofo sy hisotro amin’ny kapoaka”; ny ahazoana tsiny dia ny mandray anjara amin’ny fanahy tsy mendrika. Ny kristiana rehetra, raha tsy hoe misy fahotana tena manakana azy, dia mendrika ny handray anjara amin’ny Fanasàn’ny Tompo satria kristiana izy. Nefa mety misy kristiana manatona fotsiny am-pahazarana, satria efa izay no izy, toy ny anaovany ny raharahany andavanandro, toy ny fisakafoanany, ohatra. “Mety misy kristiana manatona ny Latabatra, nefa tsy namantatra ny tenany, na tsy mankasitraka araka ny tokony ho izy izay ampahatsiahivin’ny Fanasàn’ny Tompo aminy, sy izay ambaran’ny Tompo miaraka amin’io. Tsy nahita ny tenan’ny Tompo izy; tsy nahita ary tsy nitsara ny ratsy ao anatiny. Tsy avelan’Andriamanitra amin’izany tsy firaharahiana izany isika. Raha mitsara tena ny mpino, tsy hitsara azy ny Tompo, raha tsy mitsara tena isika, dia mitsara ny Tompo; nefa rehefa tsaraina ny kristiana dia faizin’ny Tompo, mba tsy ho voaheloka miaraka amin’izao tontolo izao.”

 

Matotra daholo izany zavatra izany! Tafalatsaka ao an-tsaintsika tsara ve izany? Arakaraky ny hasarobidin’ireo zavatra ireo no mahalehibe ny tombontsoa azo rehefa mandray anjara, arakarak’izany no mahalatsaka lalina ao am-po ny fankafizana azy, arakarak’izany koa no mahalehibe ny andraikitra raisin’ireo mandray anjara, ary raha toa amin’ny fanahy tsy mendrika no anaovana izany, ahoana moa ny fanjakàn’Andriamanitra no tsy hanafay ireo izay manao tsinontsinona sy manamaivana ny zavatra manome voninahitra indrindra Azy ao amin’i Jesoa, izany hoe sarobidy Aminy?

 

Misy teny vitsivitsy koa ireto: “Ny fanjakàn’Andriamanitra dia eo am-pelatànan’ny Tompo izay mitsara ny ankohonany: fahamarinana lehibe ary adino matetika loatra. Tsy azo hiadin-kevitra fa ny vokatr’izany dia araka ny fihevitr’Andriamanitra izay mampiseho antsika amin’io fanjakàny io ny fahendreny, ny faharetam-pony ary ny fahamarinan’ny làlany; fa io fanjakàna io dia zava-misy. Mitady ny hahasoa ny vahoakany any am-parany Andriamanitra, nefa koa mitaky fahamasinana avy aminy, fo izay mifanaraka amin’ny zavatra nambarany (ary Izy dia efa nanambara ny tenany), sady fizotra mampiseho izany. Toetra voa-janaharin’ny kristiana ny fiombonana amin’Andriamanitra, araka ny hery izay efa naseho tamin’ny fanambaràna. Raha tsy izany, raha very io fiombonana io, dia miara-very aminy ny hery hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra, hery izay tsy hita na aiza na aiza”. Tsy mazava ve izany fa raha toa mandray ny Fanasàn’ny Tompo tsy am-piheverana, am-pahamaivanana, tsy nandini-tena, am-pahazarana fotsiny, tsy mahita sy tsy misitraka ny zavatra tsaroana eo, dia tonga eo nefa tsy manana fiombonana amin’Andriamanitra, Izay mifaly ao amin’ny Zanany izay adinontsika? Inona no hery ara-panahy hoentitsika mandeha amin’ny fahamasinana, hanomezantsika voninahitra an’Andriamanitra izay miantso antsika ho ao amin’ny fanjakàny sy ho ao amin’ny voninahiny? Ara-panahy isika dia harofy sy harary, ary mety ho faty aza, tsy manana hery hijoro ho vavolombelona ho an’i Kristy eto amin’izao tontolo izao, tsy afaka hanambara ny fahafatesan’ny Tompo”. “Nefa”, hoy ilay olona tanisaintsika, “raha mitsara tena isika, dia hisy fanarenana, satria efa nodiovina tamin’ny ratsy ny fontsika raha nitsara izany ratsy izany; voaverina ny fiombonana”, ary miaraka aminy, ny hery mba hizorana araka an’Andriamanitra sy ny fahefana hisitraka izay asehony amintsika ao amin’i Jesoa. “Raha tsy mandini-tena isika, tsy maintsy miditra an-tsehatra Andriamanitra, manitsy sy manadio antsika amin’ny fifehezana — fifehezana izay mety ho tonga hatrany amin’ny fahafatesana.” (Jereo Joba 33, 34; 1 Jaona 5:16; Jakoba 5:14-15).

 

Anampintsika izany koa ireto eritreritra sasany ireto:

“Ny tokony ataontsika rehefa handray ny Fanasàn’ny Tompo, dia tsy mianona amin’ny fitsarana ny ratsy vita, fa mahafantatra koa ny toetrantsika rehefa tarafin’ny hazavana — satria Andriamanitra dia ao amin’ny mazava — ary mizotra ao amin’ny mazava. Miaro antsika tsy ho lavo amin’ny ratsy izany, na amin’ny eritreritra, na amin’ny zavatra atao. Nefa raha lavo isika, tsy ampy ny mitsara ny ratsy vita, fa tsy maintsy tsaraintsika ny tenantsika, ny toetry ny fontsika, ny firehankevitra, ny tsirambina nahatonga izany fahalavoana izany, izany hoe raha fintinina, dia tsaraina daholo izay rehetra tsy fiombonana amin’Andriamanitra na izay manakana izany.”

 

Aoka ho dinihintsika koa ireto fanamarihana manaraka ireto: “Ny fototra sy ny ivon’izany rehetra izany dia ny toerana misy antsika manoloana an’i Kristy rehefa mandray ny Fanasàn’ny Tompo isika: io fanasana io no ivon’ny fiombonana hita maso, io no fanehoana ny fahafatesany izay efa nitsarana ny ota, ary ny ota rehetra .Mifandray amin’io fitsarana masina io isika: io no anjarantsika. Tsy azo afangaro amin’ny fahotana ny fahafatesan’i Kristy. Io fahafatesana io no fanafoanana tanteraka ny ota: izany no toetrany sy nilàna azy, ka ny vokany feno dia mbola ho hita ao am-parany. Io no fandàvan’Andriamanitra ny ota. “Maty ny amin’ny ota” i Kristy, noho ny fitiavana antsika. Io fahafatesana io no manambara ny fahamasinana fenon’Andriamanitra, natao ho tsapantsika izany ary ambara tamin’ny nanesorana ny ota. Amin’io lafiny io, dia manambara fahafoizantena tanteraka ho an’Andriamanitra mba hanome voninahitra Azy io fahafatesana io. Raha mitondra ny ota sy ny fanaovana tsinontsinona eo amin’izay maneho azy isika, dia manimbazimba ny fahafatesan’i Kristy, izay maty toy izay hamela ny ota eo imason’Andriamanitra. Tsy azo melohina miaraka amin’izao tontolo izao isika, satria maty i Kristy ary ho antsika no nanesorany ny ota: noho izany, ny fitondrana ny ota eo amin’ny fahatsiarovana io fahafatesan’i Kristy io dia tsy azo leferina. Mitaky izay tokony ho an’ny fahamasinana sy ny fitiavan’Ilay Kristy Izay namoy ny ainy hanesorana ny fahotana Andriamanitra. Tsy azo atao ny milaza hoe: “Tsy hanatona ny Latabatra aho”: fanekena ny ota izany ary fandàvana ny fiaikena ny vidin’io fahafatesana io. Mamantatra ny tenantsika isika, dia manatona. Averintsika ao an-tsaina ny zo nentin’izany fahafatesany izany, satria voavela sy efa nonerana daholo ny fahotana rehetra, ary tonga hisitraka izany zo izany isika ho porofon’ilay fahasoavana tsy mety ritra.

 

Voameloka izao tontolo izao. Efa notsaraina ny fahotan’ny kristiana; tsy miafina amin’ny maso na ny fitsaràn’Andriamanitra izy. Tsy manaiky ny fahotana mihitsy Andriamanitra; manadio ny mpino amin’izany izy amin’ny famaizana azy, na tsy manameloka aza izy, satria nitondra ny fahotany i Kristy.

“Noho izany, ny fahafatesan’i Kristy no ivon’ny fiombonana ao amin’ny Fiangonana, izy no vato fehizoron’ny saina, ary raha ny mikasika ny Fiangonana, dia ao amin’ny Fanasàn’ny Tompo no ampiharana izany fahamarinana izany.”

 

Enga anie ka ny tsirairay mivory amin’ny anaran’i Jesoa, amin’ny andro voalohany amin’ny herinandro, izay manana tombontsoa manokana mahatsiaro ny fahafatesan’ny Tompo, mba ho henika ny haben’ny fitiavany, hankasitraka bebe kokoa hatrany ny maha-Izy azy sy ny asa vitany, ary hahatsiaro amin’izay fotoana izay, mba hisitrahana tanteraka ny fiombonana Aminy, fa eo amin’ny Latabatr’Ilay Masina sy Marina izy.

 

 


[1] Dikanteny DIEM

[2] Ny “misaotra” (bénir) dia tsy midika eo manamasina (consacrer). Mitovy amin’ny hoe “manome fankasitrahana” (rendre grâces) ny dikany. (Ampitovio 1 Korintiana 11. 24; Matio 26. 26-27; Marka 14. 22; Lioka 22. 19). Misaotra an’Andriamanitra, mankasitraka Azy (Marka 8. 7) no dikany.